Episodios

  • Ny Vehivavy Malagasy
    Apr 22 2024
    Raha vao miresaka an’i Madagasikara isika dia anatin’ny saina avy hatrany ny teny hoe « Firenena » ; izany ahenoana ny teny « Reny ». Anio isika dia hiezaka ny hamaritra ny toe-tsaina sy ny fitondran-tena ary ny toeran'ny Vehivavy eto eo @ fiaraha-monina malagasy. Aina ny Vehivavy Malagasy, satria mampita, mitondra ary miaro izany eo anivon’ny ankohonany sy ny mpiara-belona aminy. Ravaka ihany koa satria mampiseho ivelany ny hakantony, ny halefahany, ary azo lazaina koa fa maneho ny maha SOA an’i Madagasikara.
    Más Menos
    5 m
  • Tahanisa Faharoa
    Apr 15 2024
    Tohin'ny fandaharana miresaka ny tahanisa vitsivitsy momba an'i Madagasikara. Toa ny fitomboan'ny mponina sy ny toerana misy ny tanora eo an'inivon'ny fiarahamonina malagasy.
    Más Menos
    4 m
  • Tahanisa Voalohany
    Apr 8 2024
    Amin’ity fandaharana ity dia itodika kely ny momba ny tahanisa vitsivitsy isika izay novinanian’ny famatsiam-bola iraisam-pirenena, ho an’ity taona efatra ambin’ny roapolo sy roa arivo ity. Isa manome hanampy antsika hisafidy ny lohahevitra aroso eto.
    Más Menos
    4 m
  • Teny Fanolorana
    Apr 1 2024
    Fandaharana omentsika anarana hoe « Fatambary » toy ilay kapoaka ampiasaina andavanandro, ilaina rehefa hanokona vary. Ilaintsika tokoa ny mandrefy sy mandanjalanja ny antony maro mahatonga ny firenena toa izao na an-kasoavana na an-karatsiana izany. Fandaharana hanasana antsika rehetra handray anjara tsy am-pihafahafana. Fandaharana mizara sy mampita hatrany ary maneho fa tena kanto sy soa tokoa i Madagasikara. « Vary vokatr’i Betsimitatatra, ka na tompony na tsy tompony, samy mitazana avokoa ». Koa dia manasa antsika rehetra hiara-hitazana sy hanaraka ity fandaharana vaovao atolotra eto ity.
    Más Menos
    3 m